Fitsarana

Feon'ny Fitiavana Ampary

Fitsarana


Andro farany izao
Manakaiky ilay fotoana
Hiavin’ny Tomponao
Hamoriany am-pamoloana
Hanavahany ny vary
Hanariany ny ankofa
Ka h’asehony miharihary
Izay mahery sy kanosa


Réf: ho avy ny fitsarana
Hitsarany izao tontolo izao
Ny ratsy aoka hialana
Sao hanenina mafy ianao
Mitsangàna mihazavà
Haoreno ny finoana
Anio ary dia miaingaha
tongava malaky mifona


mba tsy hisian’ny nenina mafy
dia tapao anio ny hevitrao
manatona an’I Jeso mpanafy
fitafiana sy fianam-baovao
fadio ny mangatak’andro
fa raha mbola atao hoe anio
tongava sasaina ka mandro
ianao dia ho tonga madio


réf:….
(Anio ary dia miaingaha
tongava malaky mifona)*2


·