Fitsapana
Feo Fi APU Am
Fitsapana
- Tanaty ady mahamay
Sy fisedrana mafy koa
No nitsapanao ahy ry Tompoko
Tamin’ny asa izay natao
Nomenao hanompoana Anao
Soa fa teo Ianao fa tsy nandao
Fiv: Jesosy o!
Inty vonona aho ny hanompo Anao
Jesosy o!
Manaiky aho izay sitrakao
Ka omeo hery aho
Handreseko izay mety ho fakam-panahy
Omeo hery aho
Hisedrako hatrany ireo mafy izay manjo
- Fa na dia nisy ny hakiviana
Ho amin’ny famoizam-po
‘Zay mahavery ahy ry Tompoko
‘Lay tananao nitsotra ho ahy
No nanavotra ahy indray
Mba ho amin’ilay mandrakizay