Fito andro

AmbondronA

Fito andro


Nisaiko ireo fotoana ’zay efa nandalo
Izany koa ve ianao any ho any
Herinandro izay, fito andro androany


Alatsinainy ianao niandry ahy mba handalo
Tsy tonga aho talata anefa ny andro
Alarobia tontolo tezitra angamba


Nefa izaho aty malahelo tsy afa-miantso
Tsindrian-daona mbola tsy vita foana ’reo kandra miandry
Na torimaso aza tsy misy akory
Maraina indray vao mba matory


ref:
Tsy niniako, fa te hanao ’zay tiako aho
Tsy misy mihitsy na dia fotoana vitsy hahitako anao,
Nikandra aho, tsy tafandry efa fito andro


Alakamisy niezaka niaritra aho
Tsy mba nisy zoma mahafinaritra
Efa te-hody nony asabotsy
Ho an’ny anio aok’izay ho avy any aho
Hivavaka aho ary hihaona aminao
Fito andro izay alahady androany


Nefa izaho aty malahelo tsy afa-miantso
Tsindrian-daona mbola tsy vita foana ’reo kandra miandry
Na torimaso aza tsy misy akory
Maraina indray vao mba matory


ref:……….


·