Fitiavan'ny Ray

Asafia Ambodihady

Fitiavan’ny Ray


Endrey ny famonjena nomen’ny Ray
Nahafoy ny ainy Jesoa hanavotra ahy
Izany hatrany no hiraiko
Raha mbola velona ny aiko


Efa nataon’i Jesoa mby ato anatiko
Nomeny toky aho fa hotahiany koa
Fa lozako raha tsy mitory
Ny Tenin’ny Filazantsara


Mitory manambara ny Teny soa
Mitafy fahazotoana miasa koa
Mandray ny Herin’ny Fanahy
Maharitr’ady ka ho sahy


Efa nataon’i Jesoa mby ato anatiko
Nomeny toky aho fa hotahiany koa
Fa lozako raha tsy mitory
Ny Tenin’ny Filazantsara


Asa tsy mora atao no miandry ahy
Mandresy lahatra sy mananatra
Ny herin’iJesoa ihany
Ampy ahy hahefako izany


(Efa nataon’i Jesoa mby ato anatiko
Nomeny toky aho fa hotahiany koa
Fa lozako raha tsy mitory
Ny Tenin’ny Filazantsara)X2


A/C: Lalaina Davidson


·