FITIAVAN’I NENY

Mihanta

FITIAVAN’I NENY


               Vao maraina dia ny tsikinao ry Neny 

No manaitra ahy
Miramirana avokoa,
izay rehetra jerenao

Falifaly aho fa tsara ery,
Miravaka fanantenana
Milokoloko ny ato an-trano, 
Misy anao, misy anao


                 Fa fitiavana hafa kely, ianao ry neny

Ny ohatranao dia tsy mba roa
Fa tokana fa tokana
Ary soa ihany fa ianao no neniko

·