Fitiavan'i Kristy

Antsan'ny Serafima Tangaina

Fitiavan’i Kristy



  1. Fitiavana no nahaterahan’i Jesoa Kristy
    Teto ambonin’ny tany,
    Tonga olombelona izy.
    Fitiavana sy famonjena antsika zanany
    tsy mba nasiany fetrany,
    nentiny tety, nentiny ho ahy sy ho anao.


Ref: Fitiavana Jesoa Kristy,
Andriamanitra be fitia,
izay natolony ho antsika ety,
F’isika foana no mpanihasiha (indroa)




  1. Fitiavana no nambaran’i Jesoa Kristy,
    Hamerina ny ondriny
    ao amparadisa indray Izy.
    Fitiavana sy fanavotana antsika ety
    Fahagagana nataony,
    Tsy manavaka,tsara avokoa izay nomeny.




  2. Fitiavana no nanoloran’i Jesoa Kristy
    Ny Ainy lahy tokana
    Teo ambony hazo fijaliana.
    Fitiavana sy fiadanana
    no miandry antsika
    manana an’i Jesoa Kristy
    fahasambarana ho mandrakizay doria.




A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina


·