FITIAVAN'ANDRIAMANITRA

AMPIZIFA

FITIAVAN’ANDRIAMANITRA


Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay


Tompo Tsitoha ô!
ilay indrafonao tsy ho voavalinay
Haleloia, Hosana no hasandratray
ho fisaoranay ny antranao


Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay


Tompo Tsitoha ô!
ilay indrafonao tsy ho voavalinay
Haleloia, Hosana no hasandratray
ho fisaoranay ny antranao


Ny fitiavanao anay Tompo ô!
no nahatoy izao anay
Fitiavanao ilay nijalianao
nanafaka ny helokay


Lay rafinao, lay fahavalonay
nandavo anay, namokatraka
fa Ianao ry Jesoa Tomponay
namela anay, nanafaka


Ry Kristy ô! ry Jesoa Tomponay
hanjakao re ny fiainanay
ny fo, fanahy, ny tena atolotray
ho Anao Andriamanitray


Ny hitory Anao mandrakizay ry Ray
ekenay tsy ho lavinay
ekenay koa ny ho miaramilanao
handresy izao tontolo izao


Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay


Tompo Tsitoha ô!
ilay indrafonao tsy ho voavalinay
Haleloia, hosana no hasandratray
ho fisaoranay ny antranao


Ny dera, ny haja ary koa ny laza
dia mendrika ho Anao ry Ray
fa nafoinao ilay Zanakao
ho famonjenao anay
ho famonjenao anay
ho famonjena ho anay


·