FITIAVANA TSY ATAKALO

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

FITIAVANA TSY ATAKALO


Fitiavana tsy atakalo Jesoa ô !
Fitiavana avy amin’ny Ray e !
Nome(na) maimaim-poana Jesoa
Ô ! Fitiavana tsy atakalo Jesoa


V : He ! sambatra aho fa notiavinao
Ary novonjenao tao anatin’ny haizina


L : Soa sesehena no natolotrao
Ity zanakao malalanao


V : He ! tretrika aho fa mbola velon’aina
Ary notsimbininao ka tsy hitaraina


L : Herezo aho hitozo hatrany
Haharitra eto an-tany
Hampijoro fahamarinana am-pahamalinana


V : Ray ô ! mahery Ianao sady be Fitiavana
Mpahary sy Mpanasoa amin’ny Fahasoavana


L : Notiavinao na dia mpanonta aho
Ary natsanganao ho zanakao.


Fitiavana tsy atakalo Jesoa ô !
Fitiavana avy amin’ny Ray e !
Nome(na) maimaim-poana Jesoa
Ô ! Fitiavana tsy atakalo Jesoa


Nampiditra: Emmanuel R.


·