Fitiavana iray

Amboaram-peo Hoby Vontovorona

Fitiavana iray


Key G
[Andriamanitra tsitoha,
Rainay be famindram-po!
Ianao ilay mampiray anay
tamin’ny fitiavana.] ×2


Fo sy saina ary fanahy,
no nomenao ho anay,
mba hampiasainay hatrany
hanehoana fitiavana.


Taratry ny hafaliana
izay natolotrao ho anay
ilay fitia tsara indrindra,
ka saotra no asandratray.


[Indreto izahay!
Fo, saina, fanahy,
nampiombononao ho iray.] ×2


[Andriamanitra tsitoha,
Rainay be famindram-po!
Ianao ilay mampiray anay
tamin’ny fitiavana.] ×2


Ianao ilay mampiray anay
tamin’ny fitiavana.


A/C Maholy Todison


·