FITIAVANA AMBONY

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

FITIAVANA AMBONY


Misy famonjena izay nomena
Nentin’i Jesoa nanetry tena
Teo ambony hazo fijaliana
Izy no nisotro ny tsy tiana


Io ilay fitiavana ambony
Nomeny ho an’ny olona tsy foiny


Dia natolony ny ainy (Fitiavana)
Ny otantsika nofafany (Fitiavana)
Hamonjena izay rehetra mino Azy


Feno toky re ny fanahy
Fa Jesosy Tompo no miahy
Afaka ny ota tsy hisy intsony
Fa nomena ilay FITIAVANA AMBONY


Zovy no tsy hangoraka amin’izany
Foiny ho antsika ety an-tany
Ny maha Andriamanitra ambony
Izay fiadanana any dia nafoiny


Ny hamonjy antsika no kendreny
Ka na dia ainy aza no nomeny


Dia natolony ny ainy (Fitiavana)
Ny otantsika nofafany (Fitiavana)
Hamonjena izay rehetra mino Azy


Feno toky re ny fanahy
Fa Jesosy Tompo no miahy
Afaka ny ota tsy hisy intsony
Fa nomena ilay FITIAVANA AMBONY


Feno toky re ny fanahy
Fa Jesosy Tompo no miahy
Afaka ny ota tsy hisy intsony
Fa nomena ilay FITIAVANA AMBONY


·