Fitiavana

Red Metal

Fitiavana


Jereo ny lalana miandry antsika roa
Tsy mora, tsy sarotra koa
Fitiavanao no andrandraiko
Tena ilaiko


Raha ny amiko indray no tantaraina
Matokia ianao, sombin’ny aina
Anao irery aho mandrakizay
Aza manahy


[Fiv.]
Fitiavana ah ha ha
Fitiavako oh wou wou
Resinao ny amiko rehetra
Ny foko tia anao tsy manam-petra
(Fitiavako oh)


Misy lohasaha, misy havoana
Ririnina, lohataona
Nefa tsy atao hampiofo ny loko
Efa ato am-poko


Misy fitiavana iray lehibe
Tahiry hatry ny ela be
No ho atolotro anao eto androany
Ho anao irery ihany


[Fiv.]
Fitiavana ah ha ha
Fitiavako oh wou wou
Resinao ny amiko rehetra
Ny foko tia anao tsy manam-petra
(Fitiavako oh)


·