Fitiavana

Ndriana Ramamonjy

Fitiavana


1/
Teny tsy afaka ao am-bava FITIAVANA
Ny tanora koa miandrandra FITIAVANA
Namana tsy mifanary
Zanaka tsy foin-dreny
Ireny dia noho ny FITIAVANA


Ref:
Nefa ve mba fantatrao ny FITIAVANA
Zay ambony indrindra amin’ny FITIAVANA
Ny nanolorany ny ainy ,
hanavotany anao ,
hanananao fiainam-PITIAVANA


Fantatrao ny tiany ambara ny hoe FITIAVANA
Fa Jesoa zay tia mizara ilay FITIAVANA
Ny nanolorany ny ainy ,
mba ho famonjena anao
hanananao fiainam-PITIAVANA


2/
Ho anao voafitaky ny FITIAVANA
Ka tsy te handre intsony ny hoe FITIAVANA
Tsy omena tsiny ianao ,
zahay tamin’ny toeranao ,
tsy te iherika FITIAVANA


Ref:…


·