Fitiavana

azofi fjkm ambohipo

Fitiavana


1/Fitiavana no nanomezan’Andriamanitra ny zanany
Mba hamonjena ny olombelona sy ny taranany
Mba ahazoana indray ilay fiaina-mandrakizay
Raha mino azy ka manaiky azy ho Tompo iray


2/Fitiavana nonaneken’i Jesoa nanolotra ny ainy
Ka ny voninahiny sy ny fiandrianany tsy nolaniany
Fa nanetry tena izy ho tonga nofo tety an-tany
Niaritra ny mangidy mba ahazoanao ny mamy


3/Fitiavana no ahafahana mala amin’ny ratsy
Mba hanehoana indray ny fitsaganana amin’ny maty
Ha hihavana amin’Andriamanitra sy ny olona
Ka tsy misy intsony ny hoe fanatitra atao sorona


Ref : Noho izany tsy misy toetra, toetra ambonin’ny fitiavana
Ilay manarona fahotana maro ho fahombiazana
Ilay fitia, fitia agape ihany anefa no ampiharo
F’io no avy amin’Andriamanitra ka ny hafa atsaharo


·