FITIAVANA

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

FITIAVANA


FITIAVANA


Ry Tompoko, Andriamanitro
Fitiavana tsy miova Ianao
N’aiza aleha, n’inona hatao
Tsy irery anie ny miaraka Aminao


Jesosy o ! Mpanavotra anay
Ny momba anay tsy miafina Aminao
Foinao ny ainao nisolo heloka ahy
Ny ranao latsaka Fitia natolotrao


Fitiavana tsy ho levona
No hanorenanay ny fiainanay
Ho fananana anay Jesosy o !


Fanahy o ! mitaria anay
Hanavao anay, anio rahatrizay
Ny fo, fanahy, Tompo o hanjakao
Ho fonenanao, hanoa ny sitrakao


A/C : Past RANDRIANANTOANDRO Léon Fidèle
©Kanton’ny Fanantenana


·