Fitiavana
GAFLI
Fitiavana
Lehibe loatra, Tompo ô
Raha ny fahasoavana omenao
Tsy hay lazaina
Tsy hay tantaraina
Tsy hay faritana
Mamiko loatra, Tompo ô
Raha ny fitiavana omenao
Fitia tsy miofo
Ary tsy mba misy fitaka
Ref: Fitiavana no nomenao ho famonjena izao tontolo izao
Ny ainao aza nomenao maimaim-poana
Fanetren-tena tsisy ohatr’izany
Hatramin’izay naha tany ny tany
Ny FITIAVANA tsy ho levona mandrakizay
Misaotra Anao ‘zahay Jesoa
Noho ilay fahasoavana omenao
Fanetren-tena
Tsy noterena
Ho fianaranay
Ankasitrahanay koa
Fa henika fiadanam-po
Izahay izao
Matoky Anao tsy mba miahiahy
Ref: Fitiavana no nomenao … (x2)
Fitiavana mahari-po
Mora fanahy sy tsy mialona
Ny FITIAVANA tsy ho levona mandrakizay