Fitiavan-dRay

APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana

Fitiavan-dRay


1- Namafy hatsarana tamy lalako ianao
Toa tantsaha be fitiavana
Ka mamela raozy hitsiry
Tsy otazana e, lalovana
Banjinina, notiavina
Tsy otazana e, lalovana
Mankasitraka e ia !


Ref :
Toy izany e ilay Fitiavan-dRay
Ka misaotra fa nitantana
Ny lalako e, ho tody amy tsara
Tamin’ny soa nafafinao e ia !


2- Fa Fitiavana avy ao anaty
No manosika hanolokolo
Ka mamela hitomboany
Hiainany, hivelarany
Tsy kapaina e, na hodorana
Na fofoina, hosimbaina
Tsy kapaina e, na hodorana
Mankasitraka e ia !


‘Ndreo ny vorona avy any an’ala
Manga feo miriaria
Raha mandalo e, dia velon-kira
Sy mamela hafatrafatra
Fa migaga e, ny hatsarana
Ny hakanton’ilay voary
Fa migaga e ny hatsarana
Mankasitraka e ia !


·