Fitia tsy tanteraka

marcello et Loulou

Fitia tsy tanteraka


  Tsy tian' ny masoko intsony, ny hahita ny endrikao

tofoka aho ankehitriny noho izay efa vitanao
sady zavatra ianao ry noheveriko ho bonaika
mahay manafin-toetra,mody tsy miraika

REF:
Ny hetraketrakao no nandratr'izany foko
ry tsy mataho-tody ry hany namborahiko
nitahiry an'ity foko hatrizay ela izay
norombainao daholo nentinao niolomay

Avy ao amponao ve ireo teny mamy feno toky
sa teo ambava teo ihany na tsianjery tamam-boky?
no nentinao nanangoliana ny fitiavako efa jamba
lavo izy ka resena sendra toky rambaramba

Parole et musique de RASOLOARISON Louis de gonzaque


·