FITIA NIFANOLORANA
Dany Ranoa
FITIA NIFANOLORANA
Dô dia C
1-Ny fitia nifanolorana anie,
Ka fitia tsy noterena
Dia fitia tsy novozonina,
Ary koa tsy nofefena !
Tsy toy ny angady mondro
Izay nasesiky ny zarany
Ary tsy voalobo-jaza
Teren-ko masaka,
Ho masak’avy hatrany
Fa fitia ‘zay nifanaiky,
Hiara-dia hatrany am-parany
Toy ny fari-manga, lahy ô!
Ka hifaningo-paka ihany!
2-Ny fitia nifanolorana anie,
Ka fitia tsy manam-petra
Dia fitia tsy miova fenitra,
Ary tsy an-terisetra
Tsy toy ny ranonando
Ka mora levon-kafanana
Na sanatria toa tahona
Ka mora asesiky ny rivotra!
Fa fitia ‘zay hifangia
Eny an-dàlana ombàna,
Raha tanora : mamololona;
Raha ho antitra: mamiratra.
Dany RANOA 1959