Fitia Nampiray
Johan blouts
Fitia Nampiray
Raha misy manome , fifaliana isan’andro
Tsy haiko ny tsy hatsiaro f’enao mira masoandro
Masoandro manazava , mahataratra ny anaty
Reveko enao anilako ho eo foana mandramaty
Raiso ny tanako dia ‘ndao handeha (x2)
Ho mirana lava na ho rehefa miaraka am’isé e ! (x2)
Raha sendra solafaka na ho hatsangano eh! (x2)
Tsiodrivom-pitiavana io ry malala e eh!
Refrain :
Fa fitiano nampiray , dia miaina fatratra!
Handresy ny andro maloka sy ny orambaratra
Avenir milay , no efa hita taratra
Hanasitrana anao aho , raha toa maratra
Fa ny Tompo no nanome
Dia hifaliko anie , raozy ny tanana lay nikolo nanabe
Tontolon’ny hamamiana , ka misaotra anao aho eh!
Hanidina sy handroso isika , hanakadavitra eh!
Raiso ny tanako dia ‘ndao handeha…
Refrain…(x2)
Fa ny Tompo no nanome , dia hifaliako anie…