Fitia (feat Quartor Squad)

Nate Tex

Fitia (feat Quartor Squad)


Aza avela handeha irery hany aho fa mamy anie ny anilanao
Tsara ny roa noho ny iray, lamban’akoho mandrakizay
Ka ny atao no hamaritana azy, ny peratra ho porofo
Tsy hiofo koa ny antsika, na semban-drahona aza hisava


Fitia tsy ho lany no omeko an-dry androany
Raha misy ny tomany, ranomasom-pifaliana izany
Niova ilay anarany, nitondra ny anarako
Anjara ifikirako, fiankinana ny tratrako


Injay fa tokantrano sambatra, hifamela, hifampihaino
Hiaraka hisantatra, hanabe ireo taranaka
Dia ho sasatra ny handrava, lambamena no hitambarana
Raha potraka hifanarina, f’izany akia ilay


Fitia tsy ho lany no omeko an-dry androany
Raha misy ny tomany, ranomasom-pifaliana izany
Niova ilay anarany, nitondra ny anarako
Anjara ifikirako, fiankinany ny tratrako


Tonony sy feony : Zonirina Nantenaina
Nandrindra ny mozika : Sitraka Ramarosandratana


·