FITAHIANAO

Zo Ryan

FITAHIANAO


FITAHIANAO


Ilay masoandro miposaka maraina
Mbola FITAHIANAO no ahitako izany
Na ny rivotra ahafahako miaina
FITAHIANA avy aminao tsy lany


Matoa aho mbola mijoro feno hery
Mbola ianao ihany no anton’izao
Ny masoko mbola afaka mijery
Dia mbola noho ny fitiavanao


Refrain:
Mbola FITAHIANAO no anton’izao
Satria FITIAVANA ianao
Mbola FITAHIANAO matoa aho mbola miaina
Rariny loatra ianao raha hoderaina


Ny volana manazava ny alina
Sy ireo kintana tsy hainay takarina
Dia asatananao izy rehetra
Sy ireo zava-tsoa etsetra etsetra


Nataonao hoanay izy ireny
Ka isaoranay anao ombieny ombieny
Tsy misy mihoatra ny fitiavanao
Ka mendrika ny hoderaina ianao


Refrain:
Mbola FITAHIANAO……..


Nanoratra ny tonony sy feony : Zo Ryan


·