Firaisankina no ifaninanana

Tselonina

Firaisankina no ifaninanana


Ny andro hariva mamaly ny angady
Mandresy ny omaly izay atao androany
Ny andro hariva ijereko ny kitro
Mandresy ny anio izay hatao rahampitso


Mifampijery ny omaly sy androany
Izay vita ihany e, no hitsara izany
Aoka ny ampitso no hahazo ny loka
Mamokatra miakatra hatrany bevohoka


Veloma veloma hisaina ny ampitso
Hariva ny andro efa iaraha-mahita
Eny veloma sy mamikely
‘Ty vonindraozy e, madimozely
Aoka ny izy no aoka hotanana
Firaisankina no ifaninanana


·