Fiombonam-panahy (feat Nirina)

Tianasoa Razafindrabary

Fiombonam-panahy (feat Nirina)


Ndao mba hiara ampiara-peo
Izaho sy ianao
Hanandratra hira fiderana
Ho fanehoana fa iray ihany
Rehefa nandray an’i Jeso Kristy


Hay ianao koa mba toa ahy
Te hiombom-panahy
Hanandratra hira fiderana
Hilaza ny hatsarany
Hatrany amparan’ny tany
Sy ny famonjena
Natolony ho ahy sy ho anao


Indreto izahay Tompo ô
Vonona anompo anao
Na samy hafa finoana sy fihaviana
Fefy iray ao aminao
Ka hitory ny anaranao
Amizao tontolo izao
F’izay no sitrakao


Mety ho maro ny olana
Sy ny sakatsakana
Fa vonona hifanoana


Ny herin’ny fanahy
No ianteherana
Ny vavaka tsy ambaninjavatra


Hiombom-panahy
Iray no tanjona ho any an-danitra
oh oh oh
Ho any an-danitra


Indreto izahay Tompo ô
Vonona anompo anao
Na samy hafa finoana sy fihaviana
Fefy iray ao aminao
Ka hitory ny anaranao
Amizao tontolo izao
F’izay no sitrakao


·