FINÔKO

Sekoly Alahady Mpihira Ambohijanaka Fivoarana

FINÔKO


Ref: *2
Finôko matanjaka e!
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Tsy ho vôhozongozona
Fa hijôro satria nihorimpaka
Tanatiko ilay fitiavana


1- ô aza mety, aza mety e!
Ho rebirebena syrabirabin’ireo ‘zay tsy mino.
Mahareta, mahareta e!
Ifatoy ny finoana hifikiro fa tsara tokoa re ny tompo
Aza mety, aza mety e!
Aoka tsy ampirafesina amin’ny sampy izay tsy mahavonjy
Mahareta, mahareta e!
Fa jesosy no tokana hany mpamonjy ka ndao ho tompoina e!


Ref: *1
Finôko matanjaka e!
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Tsy ho vôhozongozona
Fa hijôro satria nihorimpaka
Tanatiko ilay fitiavana


2- ô aza mety, aza mety e!
Aza mety ho avilin’ny belisaboba sy ilay losifera
Saintsaino, saintsaino e!
Amin’ny zavatra tsy mahasoa izay mamotika sady manimba
Aza mety, aza mety e!
Taritin’ny namana dia lasa mba manandrakandrana
Saintsaino, saintsaino e!
Fa pozina mahery vaika izy reny mahalatsaka andavaka


Ref: *2
Finôko matanjaka e!
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Tsy ho vôhozongozona
Fa hijôro satria nihorimpaka
Tanatiko ilay fitiavana


Bridge: *2
Finôko matanjaka e!
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava.
(Na ny rivotra tsy harava azy e!)
Finôko matanjaka e!
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava.
(Na ny asan’ny maizina aza e!)


Ref: *2
Finôko matanjaka e!
Ka na avy aza rivotra, rika
Handrava azy io tsy ho rava
Tsy ho vôhozongozona
Fa hijôro satria nihorimpaka
Tanatiko ilay fitiavana.


A/C: Tina RAZAFINJATO sy RAZAFINDRAOELINJATO


·