Fihino aho

Voice For Light

Fihino aho


Nandany andro ianao fa tsisy azo iankinana
Ireo sakaiza nandao, tsy misy ianteherana
Niserana an-tsainao ao ireo fahotana taloha
Nahatsiaro very, irery


Tsaroako nolazain’ny olona ahy fahiny
Fa misy Raiko any tsy mba hanadino
Ka niantso aho Jesoa, nitalahoako, nivavaka aho
Raha azo atao re inty fihino aho


Ianao irery no mahay mananatra ahy
Raha toa solafaka aho Ianao hanarina ahy
Tsy mba nandatsa ahy raha diso aho indraindray
Fa nampianatra ahy mba ahitsy


Tsy olombelona Ianao ka andeha hamadika ahy
Ny toky nomenao ataonao tanteraka
Maniry aho hitsahatra eo an-tratranao
Raha azo atao re inty fihino aho
Raha azo atao re inty fihino aho


Oh oh oh


Ho anao singan’irery mahare izao hira izao
Tanora tahaka anay, izao no lazaiko anao
Fantatray ny adin-tsainao satria nolalovanay
Ho anao, ianao


Atsaharo ny alahelo ny ahiahy
Jehovah andray anao, ampiadana fanahy
Hiantoka anao, hitahy anao
Ka manomboka izao


Yeah Yeah Yeah


Miarena fa Izy hiady ho anao
Miarena fa Izy hiady ho anaovana


Inty aho Ray, fihino an-tratranao


Oh oh oh


·