Fihino

Donna VMR

Fihino


Efa impiry moa lay izaho mba nivoady
Tsy hamerina intsony ilay nahatonga ady
Nefa vao nianga d’efa lavo sahady aho
Ilay masonao toa tsy haiko jerena
Manganoano f’efa mba nanantena
Hoe efa dify ny olana sesehena
Soa ianao fa tsotra ka mba nahatadidy
Hoe olombelona aho ka mety mikaviavia
Ny adalana omaly andao atao jiro
Hanazava ny hoavintsika roa matsiro


Miana-mandeha aho, indraindray mbola very
Tsy haiko hoe zah ve no maivana sa ny onja no mahery
Nefa tsy hahatokana aho raha toa ka handeha irery


Refrain:
Ka fihino, fihino mafy aho
Aleo mba hiantsampy aho
Dia mba zarao zay hanananao
Ka fihino, fihino mafy aho
Na hoe nandratra aho
Mba aza ariana ny adalanao


Ny ambom-poko no be fa ny fanahy malemy
Ny fomba hitiavako anao tsy ankiteniteny
Fa mody tsy mila, fa am-po taralila, tsy mahay mandeha ila
Indraindray mba solafaka aho raha sendra malama
Fa tsika hatrany am-boaloha no efa niara nahalala
Fa ny lalana sarotra tsy hasakana akory
F’efa mafy orina ireo rehetra najoro


Refrain: …


·