FIHAVANAN-DANDY
Ny any aminay
FIHAVANAN-DANDY
Ataovy fihavanan-dandy ny fiainana
Raha madilana, madilana azo tetenina
Tandremo ny fihavanana Roy o !
Raha sendra ka tapaka aoka hatohy
Ref :
Fihavanana io tsy atakalo io na sandaina vola
Fahendrena nampiavaka ireo fahagola
Ka na fifaliana na tomany mandom-baravarana
Dia manjohy tsy misaraka Rafihavanana
Tsy misy tonga lafatra raha eto an-tany
Fandeferana hisalorana hatrany
Na diso ianao na naman’ny marina Roy ô !
Dia aoka ho mpihavara tsy hifankafoy
Ref :
Fihavanana io tsy atakalo io na sandaina vola
Fahendrena nampiavaka ireo fahagola
Ka na fifaliana na tomany mandom-baravarana
Dia manjohy tsy misaraka Rafihavanana
Tonony sy feony : NAIVOARIVELO Rakotondratsimba