Fifonana
GAFLI
Fifonana
- Ifonako eto ry Tompo ny heloko, italahoako
Fa tsy nahatanteraka ny fahamarinan’ny teny
Efa niezaka ihany kanefa olombelona ihany moa
MamelĂ re ry Ray, inty aho fa manetry tena
Ref: Fa Ianao no efa nanambara taminay nanao hoe:
*Raha miaiky ny fahotanay izahay ka mandre,
Dia mahatoky sy marina Ianao ka afaka manadio anay
Amin’ny tsy fahamarinana ho tonga olom-baovao
- Mampanantena kosa eto fa tsy hamerina intsony
Ka hanavao ny fitondran-tena, hibanjina ambony
Dia mangataka Aminao hatrany
Mba tohano ilay Fanahy mahery
Fa maniry indrindra izahay ny mba tsy ho very
Ref: Fa Ianao no efa nanambara … (x2)