FIDERANA HATRANY

FATAH Five (5)

FIDERANA HATRANY


1.Izaho Jeso dia manaiky ny fitiavanao e
Fa na dia mpanota aza aho, mbola novonjenao
Tena nahafoinao mihintsy anie ny ainao e
Mba hanavotanao izao tontolo izao


        Resy lahatra aho nohon'ny fitiavanao
Ka indro ateriko izao fiderana izao
Mb'hankasitraho re zay kely vitanay
Tsy anio ihany fa ho Mandrakizay

REFRAIN
Fiderana hatrany e , ny eto ambonin’ny tany
No asetrinay ny fitiavanao
Ka ho fifaliana tsy mety lany
Ny fiainanay rehefa mideranao




  1. Ambarako hanako hiely eran-tany
    Fa tsy misy toa Anao @zao tontolo izao
    Ny seza fiandrihananao tsy mba hietry izany
    Avo fipetraka ka Deraiko izao


           A/C:Elie R , may 2020



·