Fiantsoan'Andriamanitra

APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana

Fiantsoan’Andriamanitra


Ny fiantsoan’Andriamanitra
Toa tsotra fa manintona
Fahasoavan-tsesehena anie
Homeny ireo izay maharitra
Reo fo voasedran-java-tsarotra (x2)


Ry Jesoa ô ambeno re
Amy dia ‘ty zandrinao e
Fa mianatra mandeha any aho
Sao lavo indroa in-telo tofoka (x2)


Any i Dada any i Neny izay
Omeo faharetana
Reo zoky tsy hadinoko sy zandry ary ny sakaizako
Mpanao soa ahy sy ireo hafa koa (x2)


Masina Maria Reny ô
Tolory tanana izahay e
Fa zanakao mila tantanana
Tanoranao mora mivadika (x2)


Any izay ilay tanànako
Sakelidalana falehako
‘Zay fonenam-pahazazana
‘Lay fihirana raha diavolana
‘Reo tendrombohitra ala maintso koa (x2)


Fa fiantsoana zava-tsarotra
Mila fandaoza-matotra
Ka raha tsy ny herin’ny Fanahy anie
Dia zava-poana izay rehetra hatao (x2)


·