Fiainana mandrakizay

Tianasoa Razafindrabary

Fiainana mandrakizay


Fa toy izao
No nitiavan’Andriamanitra
Izao tontolo izao
Nomeny ny tokany
Ka tsy ho very izay mino azy
Fa maty izy mba hamonjy antsika
Dia nitsangana mba hananana fiainana
Ka raiso ho Tompo
Sy ho Mpamonjy anao
Dia ho voavela ireo helokao


Fa fiainana mandrakizay
No omeny izay mino azy
Ka faly aho fa anisan’izany
Satria nino tamin’ny fo
Nanaiky tamin’ny molotro koa
Fa zanany aho


Nodioviny aho ho afaka heloka
Ka tsy izaho intsony no velona
Fa Izy no ato anatiko
Ary fanahy vaovao no efa nomeny ahy


Fa fiainana mandrakizay
No omeny izay mino azy
Ka faly aho fa anisan’izany
Satria nino tamin’ny fo
Nanaiky tamin’ny molotro koa
Fa zanany aho


Hitsaoka aho
Hidera aho
Satria navotany
Hanandratra mandrakizay ny anarany
Avo indtrindra Ianao
Masina Ianao


Fa fiainana mandrakizay
No omeny izay mino azy
Ka faly aho fa anisan’izany
Satria nino tamin’ny fo
Nanaiky tamin’ny molotro koa
Fa zanany aho


Ka faly aho fa anisan’izany
Satria nino tamin’ny fo
Nanaiky tamin’ny molotro koa
Fa zanany aho


·