Fiainam-baovao

Ny Andry

Fiainam-baovao


Izay fo sahy mifanngia
Sy fanahy iray
No mifankatia
Sy haharitra doria
Ho mandrakizay
Mandrapialanao ety


Satria, Satria ny fitia
Tsy atao kilalao
Na kivazivazy
Fa ho lamban’akoho,
Hitoetra ela be
Fa tsy ho simba hoazy


Be izay mihevitra fa hoe ny fitia
Dia mandalo sy mihelina ihany
Diso izy ireny fa satria
Tsy mahatsiaro na mody minia


Matoa tsy tanteraka
Ireo izay nokasaina
Ka dia rava maina,
Ny fitia ho heverinao
Tao amponao tao
Ho lasa sy nandao


Raha nitambatra ho iray
Fo izay nifandray
Ho mandrakizay
Dina, voady, velirano
Hanorin-tokantrano
Ho fiainam-baovao


Be izay mihevitra fa hoe ny fitia
Dia mandalo sy mihelina ihany
Diso izy ireny fa satria
Tsy mahatsiaro na mody minia


Raha hitambatra ho iray
Fo izay mifandray
Ho mandrakizay
Dina, voady, velirano
Hanorin-tokantrano
Ho fiainam-baovao


·