FIAINAM-BAOVAO

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

FIAINAM-BAOVAO


Toa mivangongo manodidina anao ny adim-piainana sy fijaliana
Toa mitanjozotra manatona anao, ny loza sy ny fahorina
Mianjera ianao, tafarina avy eo, avy eo toa solafaka indray
Miandry masoandro hiposaka ianao saingy haizina no tonga indray


Dia alaim-panahy ianao hijery ny olona sasany
Ireo izay variana, sondriana sy mbola matory
Nefa toa miadana sy toa ambinina ny asany
Nefa toa tsy mahalala an’Andriamanitra akory


Nefa tsy noho izany no antony andeha hampiemotra anao
Angamba tsy noho izany no andehananao hitady Tompo vaovao
Dia mahereza hatrany, ny tanan’Izy Tompo no mitantana anao
Dia ho azonao, fiainam-baovao


Toa arakaraky ny hanatonanao, hivavaka ho feno finoana
Toa arakaraky ny hifikiranao, naheno ilay fiantsoana
Dia toa manantena, miandry ny homena, mangataka izay irina
Nefa ve tsy araky ny nadrasanao ity kapoka iray izay tsy tiana .


·