Fiadanana ihany Eran-tany

Tvbroadcasting

Fiadanana ihany Eran-tany


Raha ny manodina ahy
Toa manjombon-dava
korontana sy fahoriana
Zaho indray nefa mino,
Tsy ho ela io dia hisava
hazava ny andro hibalika


Fiv: N’aiza n’aiza eto an-tany,tony tsisy ahiahy
Hilamin-tsaina hatrany
Ny any an-tampokavoana,ny any an-dohasaha
ho fiadanana ihany
Eran-tany


Rehefa hisolo vaovao zao rehetra izao
dia hifankatia ny olona ao
Ka zay eto an-tany sy ny any an-danitra any
Dia hiadana tsisy hoatr’izany


Ref:N’aiza n’aiza eto an-tany,tony tsisy ahiahy
Hilamin-tsaina hatrany
Ny any an-tampokavoana,ny any an-dohasaha
Ho fiadanana ihany
Eran-tany


·