Fetra
Amboara Gospel Antsirabe
Fetra
- Aina ihany no fetra ry Tompo Mpanjaka,
Aina ihany no fetra anarahana anao, (x2)
Ny faneva tsy maintsy ho zakainay,
Ny fanompoana tsy maintsy ataonay.
Fiv : Indreto izahay, hilanja faneva,
Ilay hazo izay nanavotana anay;
An-tsitrapo no anoloranay tena,
Ka tano mba ho Anao izahay.
- Aina ihany no fetra, ry Tompo malala!
Aina ihany no fetra-n’ny fitiavanay; (x2)
Ka sanatria izay handao na hiala;
Mandrakizay, anao, ho Anao izahay.
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…
Bridge:
Aina no fetra - ka ampio, Fanahy!
Aina no fetra - vonjeo e, ry Ray!
Aina no fetra - izahay re no sahy;
Aina no fetra - handresy izahay.
Aina no fetra!
Indreto izahay, hilanja faneva, sns…