Fetinao ry Neny

FEOMAFI

Fetinao ry Neny


REFRAIN:
Atolotray Neny ô ! ‘zao hira izao
Atolotray ho fahatsiarovana
‘Ty andro anio, andro soa tsy manam-paharoa
Anoloranay ny teny, satria fetinao ry Neny


1-Nitondra folo volana ianao ry Neny,
Nahitana ny masoandro, nampianatra niteny
‘Reo tambitambinao sy ‘reo teny maro nahasoa
Voasikotra tsy maty ao am-po
Tompo ô! Mba henoy ‘zao vavakay izao:
«Arovinao, tantano re! I Neny»


2-Nandalo ny hafaliana, nandalo ny tomany
‘Reo tenimaminao nampitraka hatrany hatrany
‘lay hafatrafatrao hoe: “ mifikira amin’i Kristy …
… amin’ny fiainana doria doria”
Tompo ô! Mba henoy ‘zao vavakay izao:
«Arovinao, tantano re! I Neny»


·