Feom-borona maraina
Noro Andrianasolo
Feom-borona maraina
Hira tsotra izao no ilaiko
Handamindamina ny saiko,
Hohenoiko an-jaridaina,
Feom-borona maraina.
Hanafosafo ahy mangina
Ireo siotsioka mahaliana,
Hakako sary ny endrikao,
Feno fitia vaovao.
Mamindra toa atopatopan’onja,
Dorehitra fo, fanahy,
Fitia irery moja ho ahy.
Tsy nofy akory,
Ny saiko efa vory,
Miran-tsaina
Vao maraina.
Tazako eo koa ireo ankizy
Somaritaka ‘zay ts’izy,
Mifanenjika, mikotaba,
Samy mifampiarahaba.
Anaty ahi-maitso eo koa,
Araraotintsika roa,
Sangisangy, tsilailay
Fitia mavaivay.
Mirindra toa atopatopan’onja,
Dorehitra fo, fanahy,
Fitia ho anao sy ho ahy,
Tsy nofy akory,
Ny saiko efa vory.
Miran-tsaina
Vao maraina.
Feom-borona maraina !
“Jardin d’hiver”, Keren Ann/Benjamin Biolay