FEO MIANTSO
Ny Tsanta Fitoriana
FEO MIANTSO
1-
Mandalo izao fiainana izao eh!!
Aza variana lotra re!!!
Henoy feo miantso hoe AVIA
Modia r’ilay nania.
Fiv:
Andrandrao ambony masonao
Indro Jeso efa miandry izao(miandry anao)
Izy ilay tsy mba mandao eh!!!
Tapaho ny hevitrao.
2-
Henoy feo miantso hoe AVIA
Ry vonona ny hanara- dia
Tafio ny herin’ny Fanahy
Izay nomen’ny Ray.
Fiv:
Andrandrao ambony masonao
Indro Jeso efa miandry izao (miandry anao)
Izy ilay tsy mba mandao
Tapaho ny hevitra.
A/C: RAZAFINDRAKOTO Jean Philibert