FEO MAMY

None

FEO MAMY


FEO MAMY
A/C: Fenohery,Rova


Injao fa reko izao mibitsika ato am-poko,mandrotsirotsy ny fanahiko,
Mampiseho fitiavana ‘lay FEO MAMY
Te hiresaka manambitamby
Miagavy sy mitalaho ny Tompo e,
Mitaraina miantso anao Izy manao hoe:
Manatona ahy ry zanako ô modia
raha ny eto an-tany paradisa tsy ho doria
Feno hazina ny eto,feno ratra mampisento
ô modia modia!!!!


Injao fa miandry anao izao ny Tomponao,
Fa te-hitoetra ao anatinao Izy
Ezaho katsao aloha ny fanjakany
Fandalovana ny eto an-tany
FIV:
Miagavy sy mitalaho ny Tompo e,
Mitaraina miantso anao Izy manao hoe:
Manatona ahy ry zanako ô modia
raha ny eto an-tany paradisa tsy ho doria
Feno hazina ny eto,feno ratra mampisento
ô modia modia!!!!


Asafa vol 2
Febroary 2017


·