Feo fifaliana

GAFLI

Feo fifaliana


1-Feo faly, hira fiderana
No hanehoako ny hafaliako izao
Fa nandray ilay famonjena
Tena feno fitiavana
Tretrika sady mirana
Nahazo toky ny fanahiko


Ref: Fa ho anareo izay mandre
Raiso koa ny fahasoavany
Jeso tia tsy mba manavaka anao
Fifaliana azo antoka


2-Tena feno ny haravoanay
Ka manandratra Anao ry Ray
Hitoetra aty anatinay
Ny hafaliana miaraka Aminao
Hira soa vokatry ny fo
Ventesinay ho voninahitrao


3-Ny mozika sy ny feony tsara
No manentana izany fo
Ka manampy anay hanambara
Fifaliana sy ireo teny soa
Tianay mba hanananao
Ho samy faly saina sy fanahy


·