FENO TOKY NY FANAHY

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

FENO TOKY NY FANAHY


Feno toky ny fanahy
tatatoetra eo Aminao
He tsy misy mampanahy
fa ianao dia tsy mandao


Inona no mampahory
raha ny fo no lapanao
Feno toky ny fanahy
tafatoetra eo Aminao


Tsy mba diso zava-tsoa
izay mitambatra Aminao
Tena tretrika tokoa
‘reo izay arovanao


Ao ny rivotra mahery,
fitsapana mahamay
Nefa tsy miady irery
fa Ianao no andrinay


Tompo tsara o! vangio
ny fanahy mitady Anao
Tehirizo ho madio
lalandava ho anao


Raisonao ny saotra,
dera entinay manompo Anao
Ka ny vavaka sy hira
‘ndray ankinina Aminao


·