FENO TOKY NY FANAHY

Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)

FENO TOKY NY FANAHY


1-Feno toky ny fanahy tafatoetr’eo aminao
Eo tsy misy mampanahy fa Hianao dia tsy mandao


2-Tsy mba diso zavatsoa izay mikamban’aminao
Tena tretri’avokoa reo izay arovanao


3- Ao ny rivotra mahery, fitsapana mahamay
Nefa tsy miady irery raha Ianao no aminay


4-Tompo tsara ô vangio ny fanahy mitady Anao
Tehirizo ho madio lalandava ho Anao


5-Raisonao ny saotra dera entinay manompo Anao
Ka ny vavakay sy hira ndray ankinina aminao


Inona no mampahory raha ny fo no lapanao
Feno toky ny fanahy tafatoetr’eo aminao


Tonony sy feony : Paul RAMILISAONA


·