FENO TOKY (Fa#)

Feon'ny fiderana

FENO TOKY (Fa#)


1.Feno toky ny fanahy
  Tafatoetra eo aminao
  Tsy mba misy mampahory
  Fa Ianao dia tsy mandao


2.Tsy mba diso zava-tsoa
  Ny miaraka aminao
  Fa ny fony tianao
Ka tsy manana ahiahy


Ref:Inona no mampahory 
        Raha ny fo no lapanao
        Feno toky ny fanahy
        Tafatoetra eo aminao


3.Tompo tsara ô,jereo
  Ny vahoaka marobe
  Fa mania sy mivily
  Raha sendra ny tafiotra


4.Zanahary ô,tahio
  Ny finoana anananay
  Aza avela hanjakan’ny toetra
  Izay manimba anay


·