Feno toky
Ny Feo Mamatonalina
Feno toky
Feno toky ny fanahy tafatoetra eo Aminao
He tsy misy mampanahy fa Ianao dia tsy mandao
Tsy mba diso zava-tsoa izay mikambana Aminao
Tena tretrika tokoa ireo izay arovanao
Ao ny rivotra mahery, fitsapana mahamay
Nefa tsy miady irery raha Ianao no aminay
Tompo tsara o! vangio ny fanahy mitady Anao
Tehirizo ho madio lalandava ho Anao
Raisonao ny saotra, dera entinay manompo Anao
Fa ny vavaka ny hira ‘ndray ankinina Aminao
Isan’andininy :
Inona no mampahory, raha ny fo no lapanao
Feno toky ny fanahy tafatoetra eo Aminao