Feno tokoa

Antsa an'ny Fahamarinana

Feno tokoa


Feno tokoa ny kapoakako
Feno mitafotafo tsy mba lainga
Misaotra anao aho Jeso
Misaotra anao aho.


Feno tokoa zava-tsoa,
Zava-matavy sy zava-mamy.
Misaotra indrindra e, Jeso,
Misaotra indrindra é.


Fantatrao, fantatro,
fa ianao tsy misy faharoa.
Hany Tompon’ny tompo
Saingy tianao ny hiaino ahy
Sitrakao ny atao hoe rahalahy
Mahatsiaro tena faly aho


Eny na dia misy ny olana
Ny fanatrehanao dia ampy ahy
Misaotra anao aho Jeso,
Misaotra anao aho.


Fiainan-tsisy aloka,
Toa mampanahy sy mampiahy.
Misaotra indrindra e Jeso,
Misaotra indrindra e.


Fantatrao, fantatro,
fa ianao tsy misy faharoa.
Hany Tompon’ny tompo
Saingy tianao ny hiaino ahy
Sitrakao ny atao hoe rahalahy
Mahatsiaro tena faly aho


Fantatrao, fantatro,
fa ianao tsy misy faharoa.
Hany Tompon’ny tompo
Saingy tianao ny hiaino aho
Sitrakao ny atao hoe rahalahy
Mahatsiaro tena faly aho


Feno tokoa ny kapoakako
Feno mitafotafo tsy mba lainga
Misaotra anao aho Jeso
Misaotra anao aho.
Misaotra indrindra Jesosy ô
Misaotra indrindra e.
Misaotra anao aho Jeso
Misaotra anao aho.


·