Feno hasoavana!

APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana

Feno hasoavana!


Maria ô, Sambatra Ianao
F’efa antsoin’ny taranaka rehetra hoe : Sambatra,
Masina, Feno Hasoavana ! Maria


Maria ô,
Tsy nohazoninao irery
Tao an-kibonao
Ny Vaovao Mahafaly
Nozarainao tamin’ny hafa
« Feno Hasoavana »
Maria ô, Feno Hasoavana


Maria ô,
Tsy andrinao akory ilay andro
Hiterahana ilay Masina Indrindra
Tsy nahalala fitiavan-tena Ianao
« Feno Hasoavana »
Maria ô, Feno Hasoavana


Maria ô,
Ampio, izahay mba hiala
Amin’ny fitiavan-tena
Fitiavam-bola
Fitiavam-boninahitra
Filan-dratsy mandrendrika
Maria ô, Feno Hasoavana


·