Feno fiderana Anao, izahay ry Ray ô

Hira mamiko (notsongaina manokana)

Feno fiderana Anao, izahay ry Ray ô



  1. Feno fiderana anao izahay, ry Ray ô,
    Misaotra anao re
    Noho ny soa sesehena izay nafafinao ho anay,
    Misaotra anao re.


Misaotra anao izahay fa notiavinao e,
Fiderana no enti-misaotra ny anaranao e ;
Ny hafalianay no indro asehonay e
Ka misaotra anao, ry Rainay ô.




  1. Fitsimbinana hatrany no natolotrao anay
    Misaotra anao re ;
    Fanehoam-pisaorana no iarahanay mihira :
    Misaotra anao re.




  2. Ny fifankatiavana no natoronao anay,
    Misaotra anao re ;
    Tanterahinay hatrany izany hafatrao izany,
    Misaotra anao re.




·