Fehezam-boninkazo
Mario Ravelonantoandro
Fehezam-boninkazo
Mahafaly ahy indray no manolotra amboara
Ho fehezam-boninkazo ho anao
Tena hira tena mamy, tao anatiko mangina
Omeko anao manontolo am-pifaliana
Hovetsoiko mba hanako
Hiampita ho renao
Feo manga izay milanto
Ilay amboaram-petinao
Ary inoako fa ho faly eo am-pandrenesana
Ilay amboaran-kira mamy ho anao
Hovetsoiko mba hanako
Hiampita ho renao
Feo manga izay milanto
Ilay amboaram-petinao
Fahatsiarovana tsy maty ilay amboaram-boninkazo
Fanomezantsoa tokoa izay tsy halazo