FATRATRA LOATRA
SLK FJKM Manarintsoa Finoana
FATRATRA LOATRA
FATRATRA LOATRA
Fatratra loatra raha ny fitiavanao
Ry Jesosy Tompoko
Famindram-po tsy hita lany
No natolotrao ho tinafiko
Fahafatesana no miandry ahy
Afo mandevona koa
Fa ny tananao mahery
No misarika ahy mba ho velona
Rendrika tanatin’ny adalana
Ditra no nameno ny fo
Fa ianao no nampody ahy
Ho ao am-bala indray
Ka nanagana mba ho zanakao
Ny fifaliana sy ny fiadanam-po
Lova natolotrao ahy
Fiainana mandrakizay
No nomaninao ho vantaniko