Fara andro

Mamina

Fara andro


Fa miha maizina ny tany eh
Tsy mahita ny zanak’olmbelona maro eh
Mihovitrovitra aoka izany eh
Ny rehetra mitranga fahoriam-be


Alaohery andao isika hifankatia
Fa fandalovana no ety
Alaohery ny harenanao anie tsy ho lany
Fa tsy manaraka anao makany
Ah ah ah ah


Fiverenana
Raha ho avy ny andro hiafaran’ny tany
Mangotrangotraka e ny zava-boary
Ka hiatra ny hatezeran-janahary
Tsy ho zakan’olo ooo
Fa ho rava ny tontolo
Ho aiza ianao


Tsy mazaka sazin-janahary izaho marary
Tsy mazaka sazin-janahary izah mavozo
Tsy mazaka sazin-janahary izaho marary
Tsy mazaka sazin-janahary izaho mavozo


Tetezana:
Alaohery andao isika hifankatia
Fa fandalovana no ety
Alaohery ny harenanao anie tsy ho lany


·